Socio-eco

MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA: Hatsahatra ny lalana mifehy ny sarimihetsika


Didim-panjakana no mamaritra ny fananganana sampandraharaham-panjakana sy manendry ny olona hitantanana izany fa tsy ny lalàna, araka ny lalàna 2018-037. Ny lalàna anefa no nametraka ny ofisy malagasy ny sarimihetsika (OMACI) izay eo ambany fiahian’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina. Mandika ny lalàm-panorenana anefa izany, hoy ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny kolontsaina, Ralaimazava Johary nandritra ny fihaonan’ny ministera mpiahy ny OMACI niaraka tamin’ireo mpisehatra amin’ny sarimihetsika malagasy, ny 4 aprily 2019.  Nambarany fa ny lalàna ihany no manery ny hanatsaharana ny lalàna mifehy ny sarimihetsika sy ny sary miaina (cinéma et image animée), laharana 2017-011.

 Nilaza ihany koa ny talen’ny fifandraisana amin’ny daholobe eo anivon’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, Ranarivelo Nampoina fa  hitondra fanatsarana no tanjon’ny ministera (…) ka ao anatin’izany dia nisafidy ny hanatsahatra ny lalàna mifehy ny sarimihetsika sy ny sary miaina ny ministera. Nambarany fa tsy manana zavatra efa vonona ry zareo fa ny mpisehatra no afaka milaza ny tiany amboarina sy hohatsaraina. Izay no nampiantsoin’ny minisitera ny mpisehatra rehetra satria maro ny mitaraina fa misy  lalàna sy rafitra tsy mety, hoy hatrany izy. Anisan’ny olana amin’ity lalàna mifantoka amin’ny sarimihetsika ity ny maha voasaringotra ny sehatry ny sary sy feo toy ny “clip”, “jeu vidéo”, araka ny fanazavan’ireo mpisehatra. Manoloana izany dia antony iray niantsoana ireo mpisehatra ny fanangonana ny hevitra ahafahana manatanteraka rafitra sy lalàna iraisan’ny rehetra, hoy hatrany ny talen’ny fifandraisana amin’ny amin’ny daholobe. Mbola hitohy amin’ny fotoana manaraka ny fakan-kevitra. Ireo mpisehatra amin’ny sarimihetsika malagasy kosa amin’izao fotoana izao dia tsy manaiky io fanatsaharana io.

Lynda A.


One comment on “MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA: Hatsahatra ny lalana mifehy ny sarimihetsika

  1. JAOFERSON Jacky PATRICK

    Miharahaba tompoko.
    Amin’ny izao fihibohana izao dia mba manolotra soson-kevitra ho an’i pitondra Fanjana
    1: Tokony tsy mahazo mivarotra Hanimasaka intsony fa maro ireo sady tsy misy vitrine no tsy madio (Pivqritre jus.Cafe sy mofo ny pivarotra elekelatrano maro isotry.67ha
    antohamadinika sns..
    2:Ireo biby mandehandeha miranireny manerana ny tanana tsy misy tompony (Alika.saka )
    3:Ireo ankizy maro milalao anelakelantrano.
    Toa tsy mandrai ny andraikiny ny rantsa-mandraiky eny aminy Fokontany sy ny operation mixte.
    Raiso tompoko ny haja ambony atolotro ho anareo
    .
    Ireo no hitako

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *