“Asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana”. Ho fanehoana ny tena fitiavan-tanindrazana azo tsapain-tanàna dia namorona ny tetikasa “tagnamaro: andron’ny olom-pirenena”, ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina (MCC). Tetikasa iray ahafahan’ny sehatr’asa rehetra miankina na tsy miankina mifanome tanana hanavotana ny tanindrazana izy ity. Ho atao fomba fanao isaky ny sabotsy faha-telo amin’ny volana, manerana an’i Madagasikara ny “tagnamaro” ary tsy an-tery ny fanaovana izany. Hisantatra ny hetsika ny MCC ny sabotsy 30 martsa 2019 izao ka eny hopitaly Mahitsy no hanatanterahana ny “tagnamaro”. “Efa an-taonany maro no tsy nisy fanavaozana io hopitalim-panjakana io. Handoko, hanamboatra ny simba, hanamboatra ny zaridaina ny ekipan’ny minisitera”, hoy ny minisitra Rakotondrazafy Andriantongarivo Lalatiana nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 18 martsa 2019. Tsy hijanona eto Antananarivo ny hetsika fa hiara-hientana ihany koa ny mpiasan’ny MCC manerana ny faritra ka anisan’ny asa ho ataon’izy ireo ny fanadiovana ireo tsenabe, fanamboarana zaridaina, fandokoana ny hopitalim-jazakely…
Natao ho an’ny rehetra ity tetikasa ity ka miantso ny sehatr’asa miankina na tsy miankina toy ny andrim-panjakana, ny olom-boafidy, ny orinasa, ny fikambanana sy ny maro hafa fa indrindra ny olom-pirenena handray anjara amin’ny hetsika. Ireo sehatr’asa ireo no misafidy ny asa ho atao sy ny toerana hanaovana izany ary manentana ny mpiasa ao aminy na ny mpikambana ao aminy n any olom-pirenena. “Azo atao avokoa izay rehetra asa azo atao ho an’ny soa iombonana toy ny fanadiovana toerana na lalana, fanamboaran-dalana , ny fanavaozana na fandokoana tranom-bahoaka iray, fanadiovana lakan-drano, fanamboarana zaridaina, fambolen-kazo… ho tonga hatrany amin’ny fananganana foto-drafitr’asa”, araka ny fanazavan’ny minisitra hatrany. Ho fifampitaizana amin’ny samy olom-pirenena, ho fampitàna ny kolontsaina tomponandraikitra, ho fanajàna ny soa iombonana, ho fametrahana ny kolontsaina mitondra vokatsoa ho an’ny rehetra no tanjon’ny hetsika “tagnamaro: andron’ny olom-pirenena”. Mitaky fahatongavan-tsaina ny tsirairay anefa izany rehetra izany.
Lynda A.