De-Lire

MIANGAVY TOMPOKO


1-Miangavy anareo mpanao gazety mba haka sary ireo izay manatrika ny sakafo eny Iavoloha tsy an-kanavaka misy hitadidiana fa izy ireo tsy mba miray fahoriana @ Malagasy.

2-Miangavy ny olom-pirenena rehetra hitanisa anarana eto @ fb sy hitadidy izay tonga manatrika io fety lehiben’ny fandrobana io

3-Miangavy izay mbola tsy maty eritreritra mba hanaparitaka ity antso ity ho fanambarana fa tsy ekena ny handaniana 60 million d’Ariary indray mihinana nefa ny fako aza tsy voaraoka.

4-Miangavy ny fahendren’izay mbola olombelona haneho ny alahelony @ io andro io ka Sary maneho sarom-bilany sy vilia maloto no aseho eto io andro io ary raha misy afaka mikapoka vilany aza vao maika tsara satria tena mihinana ambony fako ny Malagasy fa ny mpandroba mitohy mandroba ihany

5- Na depiote enao, na Maire, na Minisitra, na DG, na SG, indrindra fa Mpitondra fivavahana ka sahy mamonjy io lanonana io dia mazava zany fa henatra no hivelomanao manomboka eo fa ny maha olona efa adino angamba.

6-Ny hany afa-tsiny dia ireo izay voabaiko ka tsy afa-mamaly toy ny mpamily, serveuse, garde corp, hotesse, traiteur, mpanao gazety sy ny asa tahaka azy rehetra ary koa ny vahiny avy any ivelany izay efa tsy mahalala ny fahorian’ny gasy hatrizay.

Président, PM, Ministres, Sénateurs, Députés, SG, DG, Maires, Généraux, Opérateurs Economique, Dir Cab, … Mazotoa homana tompoko ianareo @ halahelon’ny tsy manan-kohanina sy ny 92% tsy mahita arapaka.

Laza Razafiarison


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *