Mahoraka

Marovoay : Hatao lavanty ny tany 7000 ha nambolen’ny FIFABE taloha


7 000ha ny totalin’ny velarantany ho atao lavanty ny talata ho avy izao. Kaomina ambanivohitra enina ao amin’ny Distrikan’i Marovoay no voakasik’izany, dia i Marovoay Banlieue, Manaratsandry, Ambolomoty, Ankaboka, Anosinalainolona ary Antanimasaka. Fianakaviana 6 000 mivelona amin’ny fambolena amin’io velarantany io no tandindonin-doza ny fiainan-koaviny .

Ny Société Malgache d’Industrie et d’Agriculture (SOMIA) no hisitraka izany. Ity orinasa ity no nitory ny orinasam-panjakana FIFABE, izay nolazaina fa naka ny taniny ary nampiasa izany tsy araka ny lalàna efa an-taonany maro. Nivoaka ary ny didy fa tsy maintsy mandoa honitra mitentina 320 000 000 ariary ny FIFABE. Koa satria moa ity farany, orin’asa efa tsy miodina intsony, noho izany dia tsy afaka handoa io volabe io. Ka dia nogiazana avokoa ny fananany ary anisan’izany ireo velarantany 7000 ha. Hatao lavanty ao Mahajanga ny tany ny talata 08 desambra 2015 izao.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *