Socio-eco

Marika IKOLO: Sady miaro ny tontolo iainana no mikolo ny endrika amam-bika


Mba hisorohana ny homamiadana na izay mety ho fiantraikany ratsy amin’ny fampiasana vokatra misy akora simika dia efa mirona any amin’ny fividianana vokatra natoraly ampiasaina amin’ny fikoloana ny vatana, ny tarehy sy ny volo ny 30 % ny olona. Tamin’ny alalan’ny “green youth” no niatombohan’ny vokatra IKOLO. Nanomboka tamin’ny desambra 2015, namokatra menaka fanorana, “baume”, savony hanadiovana tarehy na hikoloana ny vatana ny fikambanana “green youth”. Niroso bebe kokoa tamin’ny fandraharahana amin’ny fikoloana ny vatana, ny tarehy ary ny volo ny fikambanana taty aoriana ka niova IKOLO ny mariky ny vokatra vokariny.

Ahitam-bokatra avy hatrany ny marika IKOLO. Sady miaro ny tontolo iainana no mikolo ny endrika amam-bika ireo vokatra satria zava-maniry avy eto Madagasikara no akora fototra hanamboarana azy. Mamokatra savony fanasana tarehy, savony fandroana, menaka mampaniry volo, “crème” fanosotra amin’ny hoditra, menaka manitra… Mahazo fihenam-bidy ihany koa ireo mpanjifa mamerina ny tavoahangy misy ny vokatra satria averina ho ampisaina indray. “Mampianatra ny olona handala ny maha olona sy hiahy ny tontolo iainana, tsy mandanindany foana fa manaja ny tontolo iainana ny vokatra IKOLO”, hoy ny mpamokatra sady mpitantana ny IKOLO, Holiniaina Norohariliva Rakotomalala. Eny Besarety ny birao ahitana ny marika IKOLO. Mivarotra ireo karazana vokatra IKOLO ihany koa eny amin’ny “maison Jean Laborde” Andohalo. Natao ho zakan’ny fahefa-mividy ny rehetra ireo vokatra ireo.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *