Socio-eco

MANDA S.A: Azo jifaina mandritra ny FEPA ny vokatra vaovao


Anisany mpanohana ny FEPA ny orinasa Manda SA sy ny restaurant Manda Sea Food. Ho hita mandritra ny efatr’andro ireo  hazandranomasina manta, voakirakira araky fenitra iraisampirenena  nahafantarana ny orinasa hatramin’izay. Tsy adino ihany koa ireo nahandro isan-karazany vita avy amin’ny hazandranomasina. Mivoatra hatrany sakafo karakarain’ny restaurant Manda Sea Food ka azo jifaina mandritra ny FEPA 2019 ireo vokatra vaovao, araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa, Raherimanana Bakoly.

Sehatra lehibe manome aina ny toekarena malagasy ny jono. Tosika ho an’ireo mpandraharaha amin’ity sehatra ity ny tsenaben’ny fiompiana sy ny jono ary  ny fambolena (FEPA). Lohahevitry ny FEPA andiany faha-11 rahateo ny hoe: “Fototry ny fampandrosoana maharitra ny fiompiana, jono ary  fambolena”.  Nanomboka androany 30 mey 2019 ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 2 jona 2019 ny FEPA 2019. Eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka no hanatanterahana izany.

Lynda A.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *