Amin’ity anio ity no hanantanterahana ny fifidianana loholona manerana an’i Madagasikara. Loholona miisa 42 no hofidiana manerana ny Nosy,  izany hoe: 7 isaky ny faritany teo aloha. Biraom-pifidiana 1695 manerana ny Nosy no hanatanteran’ireo mpifidy vaventy miisa  12 664 eny anivon’ny distrika  no hanatanterahana ny latsabato manomboka amin’ny 6 ora maraina anio. Manana ny vata mangarahara avokoa ny isaky ny kaominina ary efa tonga eny anivon’ny  distrika rehetra ny fitaovana ilaina amin’ity fifidianana anio ity, hoy ny teo anivon’ny Ceni. Ankoatra izay dia ny 10 na ny 15 Janoary 2016 izao fara fahatarany no amoahana’ny Ceni ny vokam-pifidiana vonjy maika.