Socio-eco

LE ZOMA DE TANA: Nivadika ny kaominina Antananarivo Renivohitra


Nitory ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA) teny amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana  ny mpikarakara ny hetsika ara-barotra « Le Zoma de Tana ». LEZOMA DE TANA 2Sanganehana ny mpikarakara  satria iray andro mialoha ny hanaovana ny foara natokana ho an’ny fetin’ny reny, saika natao teo amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny 22 ka hatramin’ny 25 mey 2019 vao naharay ny taratasy  avy any amin’ny talen’ny kabinetran’ny kaominina fa tsy mahazo mampiasa ny toerana ry zareo. Nambaran’ny mpisolovavan’ny mpikarakara, Aliarivelo Maromanana fa efa nandoa volabe 22 tapitrisa tamin’ny kaominina ny mpikarakara mba ho famandrihana ny toerana sy ho an’ny hetra. Efa iray volana ny olona arovany no nanomana ny hetsika ary efa nandany volabe ny tamin’ny fandefasana ny dokam-barotra sy ny fikarakarana rehetra. Mpandray anjara 159 no tokony hivarotra mandritra  hetsika karakarain’ny Le Zoma de Tana ho an’ny fetin’ny reny ary efa nandoa ampaham-bola amin’ny hofany ny trano heva, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny Le Zoma de Tana, Rakotoharijaona Andriamahefa. Na ireo mpivarotra  efa namandrika trano heva aza gaga rehefa tonga teo amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely  fa hetsika ara-barotra karakarain’ny kaominina no teo fa tsy Le Zoma de Tana.

Araka ny fanapahan-kevitry ny  fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana dia miato ny  ny fanapahan-kevitry ny tale kabinetra ary manan-kery ny fahazoan-dalana azonay tany aloha hampiasa ny Lapan’ny tanana, hoy ny mpisolovava Aliarivelo Maromanana. Tonga tao amin’ny kaominina anefa ry zareo mpikarakara niaraka tamin’ny vadintany  nampahafantatra io fanapahan-kevitra io saingy  tsy nety nandray azy ireo ny tale kabinetra sy ireo sampandraharaha hafa tao amin’ny kaominina. «Ao anatin’ny fandikàn-dalàna tanteraka ny kaominina ka handray fanapahan-kevitra hafa izahay mba ahafahanay mitantana ny hetsika ao amin’ny Parvis », hoy izy. Ho taterina eto ny tohiny ny raharaha.

Lynda A/ Nirina R.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *