Evenement

Klioban’ny vehivavy mpanao gazety : Tafatsangana ny « Les clochettes »


Nitsangana tamim- pomba ofisialy ny sabotsy lasa teo ettsy amin’ny le Terrace Villa pradon Antanimena ny klioban’ny vehivavy mpanao gazety « les clochettes ». Nanokatra ny lanonana  sy nitso- drano azy ireo ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety etoMadagasikara, Gérard Rakotonirina, notronin’ny filoha lefitra Antananarivo Didi Ratsimbazafy.

Tsy nisy mpanohana fa niketrika tamin’ny herin’ny tenany ireto mpanao gazety ireto sy Ricky Raleva tamin’ny fanatontosana io lanonana io. Na izany aza, dia fahombiazana 100% no azo amintinana ny seho rehetra nandritra ny alina. Nilaza ho afa- po tanteraka ary tsy very vola ireo nanotrona rehetra. « féminin singulier » no lohahevitra nosafidian’izy ireo tamin’ity hetsika ity, izay nisiana hetsika maro niainga avy amin’ny famoronan- dRaleva mpamorona lamaody, mpampilatro ary mpamorona ny sora-dihy. Marika Payet, mpilatro fahiny efa nampiseho karazana marika avo lenta maro tany ivelany tany kosa no nanome ny fototra sy nanofana ireo mpanao gazety tamin’ny filatroana.

Nanolo- tena nanampy azy ireo tamin’ny fikarakarana ny hoho ny Golden Rose ary nikirakira ny endrika sy ny taovolo maimaim- poana kosa ny Charmelle Beauté. Ity farany izay nanasa sahady ireto vondrona nikarakara ny seho (Angomodel sy clochettes) handray anjara amin’ny hetsika « soirée princess » izay hotanterahina etsy amin’ny A & C Ivato ny sabotsy alina ho avy izao.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *