Sport

Kitra UFFFOI :  Mikendry ny anaram-boninahitra ny Cnaps sport


Hikendry ny anaram-boninahitra fahatelo farany amin’ity taom-pilalaovana 2015 ity ny ekipan’ny Cnaps sport Itasy amin’ny Asabotsy 12 desambra  izao  any amin’ny kianja sintetikan’I Rabemananjara mandritra ny lalao famaranana miverina amin’ny fiadiana ny amboaran’ny oseana Indiana izay hiaonany amin’ny ekipan’ny saint Paul avy any la Reunion.

Tsy hilalao I Nono

Saika vonona sy maniry ny hijoro am-boalohany amin’ny fiatrehana ity lalao famaranana avokoa ireo mpilalao rehetra afa-tsy I Nono izay nahazo karatra mena nandritra ny lalao mandroso izay notanetrahina tany amin’ny nosy la Reunion. NY hanafika totoafo sy hanao izay tsy hidiram-baolina no tanjona ho anay hoy ireo mpanazatra mirahalahy Hery be sy Typeh raha nitafa taminay. Efa hainay tsar any lalaon’ny Saint paul ary hitany ihany koa ny lesoka taminay nandritra iny lalao mandroso iny koa efa nanomana tsara ity lalao miverina ity izahay ary vonona ny hibata ny fandresena eto amin’ny kianjanay.

Raha tsiahivina dia nisaraka ady sahala tamin’ny isa 1 noho ny 1 ny ekipa roa tonta nandritra ny lalao mandroso.

Lesoka ny fitsarana

Raha niverenana ny fizotry ny lalao nandritra ny lalao mandroso dia lesoka ny lafiny fitsarana satria tsy tonga ireo mpitsara maorisianina tokony hitsara ny lalao koa noho izany dia ireo mpitsara tao an-toerana no nitsara ny lalao ary hita fa tena nisy ny tsy nety nandritra ny fitsarana ny lalao. Irariana ny hizoan’ny fitsarana marina mandritra ity lalao miverina ity.

José R


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *