Sport

Kitra Champions leagues Afrika : Tafita ny Cnaps sport


 

Efa nampoizina ny vokatra nandritra ny lalao miverina tafiditra amin’ny lalao dingan’ny savaranonando amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’I Afrika eo amin’ny ekipa tompondaka izay nihaonan’ny Cnaps sport Madagasikara sy ny Gor Mahia avy any Kenya.

Fandresena tamin’ny isa toknaa noho ny aotra no azon’ny ekipa solontena Malagasy nandritra izany lalao miverina izay natao tany amin’ny kianja sintetikan’i Rabemananjara izany tamin’ny Asabotsy teo.

Namiratra i Njiva

Ilay irakirakla mpanafika Njiva no tompomarika tamin’ny baolina tokana azon’ny Cnaps rehefa nahazo tolotra tsara avy tamin’i Nono izy teo amin’ny minitra faha 29 tamin’ny fizaram-potoana voalohany.Izy ihany koa no voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra iny lalao iny. Tokony ho baolina efatra no tafiditry ny Cnaps saingy somary nikoropaka hatrany ry NIiva indroa sy Nyasexe ary Ando izay tena nanana herijika ny hampiditra baolina tokoa.

Teo amin’ny resaka fitazomam-baolina no nanjaka ny ekipa Kenyana saingy tsy ny fahazona isa ambony amin’ny resaka toy izany no mampandresy.nandritra ny fiafaran’ny lalao moa dia niaky ilay mpanzatran’ny ekipan’ny Gor Maahia fa niova sy nivoatra tsy toy ny tamin’ny herintaona ny ekipan’ny cnaps sport indrindra fa teo aamin’ny resaka fiarovan-tena.

Niaiky ny fahaizan’ny Cnaps sport ny Kenyana

Anisan’ny nampiaiky volana azy ireo koa ny filalaon’ny malagasy ka anisan’ny roboka taamin’ny fangatahana an’i Njivaa hilalao any aminy rizareo.Efa tany amin’ny lalao mandroso no efa nahazo fandresena isika koa izany no naahaalaalaanina azy ireo amin’ny fahaizan’ny Malagasy milalao baolina. Tokony ho lasa lavitra ity ekipan’ny Cnps sport ity raha toa ka mahavita tsy manary fanafihana toy ny taminay teo hoy inghay Isimbagyew kapitenin’ny Gor mahia.

José R


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *