Sport

Kitra Barea Futsal :  Hanarina ny fahavoazany


Na dia nisy aza iny faharesena 7 noho ny 1 teto amin’ny kianjantsika iny ho an’ny barea madagasikara eo amin’ny taranja baolina kitra lalaovina amin’ny efitrano dia mbola vonona ny hanarina izany faharesena izany izy ireo mandritra ny lalao miverina izay hotanterahina  any Mozambika amin’ny Alahady izao.

Hita ny toerantsika

Nandritra iny faharesena mihoampampna iny dia fantatr’ireo mpikarakara ny ekipan’ny bare any toerana misy azy ireo amin’ity taranja Futsal ity. Tsy maintsy miatrika lalao ngeza tahaka ireny isika vao mahafantatra ny toeran misy antsika amin’ny taranja toa ity hoy ny tompon’andraikitra. Na izany aza dia hiezaka ihany hanarina ny tsy nety nandritra ny lalao mandroso iny na dia somary kely ihany sis any fanantenana ny amin’ny hahazoana ny tapakila hankany JOhannesbourg amin’ny lalao CAN eo amin’ny taranja Futsal ity.

Hialana ny fikoropahana

Ny zavatra hita aloha dia tena tsy ampy ny fanomanana ny ekipan’ny Barea satria tsy ampy lalao tsapa izy ireo. Voaporofo nandritra iny lalao iny ny fikoropahana teo amin’ireo mpilalao ireo sy ny nahazoany penalty telo izay tsy nisy tafiditra avokoa. M          anginy fotsiny koa ny fanariana baolina fahatany sy ny tsy fahafehezana ny lalao tamin’ny akpobeny. Mbola nanana herinandro latsaka kely moa ny mpanzatra mirahalahy Dekera sy leonine nanitsiana ireo lesoka ireo. Tsiahivina fa tsy nisy afa-tsy mpilalao folo sisa ary miaraka amin’ny tomponandraikitra dimy sisia no hihazo an’I Mozambika amin’ny Asabotsy izao hiatrika ny lalao miverina amin’ny Alahady ho avy io.

José R


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *