Socio-eco

Kaominina Antananarivo Renivohitra : Atoby etsy Andohatapenaka ny fiara tsy manara-dalàna sy tsy miasa


Miditra amin’ny fandaminana sy fanadiovana ny tananan’Antananarivo Renivohitra ny kaominina amin’izao fotoana izao.

Orinasa maro no nangatahan’izy ireo fanampiana momba izany, ka  ny orinasa Tiko no namaly ny antso. Raha ny zava-misy dia tsy maharaka intsony ankehitriny ny toerana fitobian’ny fiara, moto, sarety, izay tsy manara-dalàna eto Andrenivohitra to any eny Anosimpatrana sy Antsakaviro noho izy ireo tafiditra ao anatin’ny birao iasana sy fivezivezena. Ho fanamafisana ny fandaminana hisoroana ny fitohanana mahazo ny fiara eto Andrenivohitra  dia ny Orinasa Tiko no nampindrana ny tany Malalaka etsy Andohatampenaka Digue mandritry ny fotoana maharitra raha ny fanambarana nataon-dRamiharamanana Patrick omaly tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.Eny amin’ny faritra Ampandrana no hanomboana ny asa fanadiovana ka ireo fiara tsy miasa mipetraka amin’ny sisin-dalana dia ho hesorina avokoa ao anatin’izao fandaminana sy fanadiovana izao.

Any aoriana raha ilain’ny Orinasa Tiko ny taniny dia azo averina aminy madiodio raha ny fanazavana hatrany.

 


One comment on “Kaominina Antananarivo Renivohitra : Atoby etsy Andohatapenaka ny fiara tsy manara-dalàna sy tsy miasa

  1. Pingback: Kaominina Antananarivo Renivohitra : Atoby etsy Andohatapenaka ny fiara tsy manara-dalàna sy tsy miasa - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *