Socio-eco

KAOMININA AMBOHIDRABIBY: Mila vonjy


Tsy manana liseam-panjakana ny kaominina Ambohidrabiby. Voatery mandeha any amin’ny kaominina manodidina ireo mpianatra. Nikambana tamin’ny kaominina Talatanivolonondry i Ambohidrabiby teo aloha. Nanomboka ny taona 2015 izy vao lasa kaominina. “Amin’ny maha kaominina vaovao an’i Ambohidrabiby, ny tsy fahampian’ny foto-drafitra asa no olana goavana sedrain’ny kaominina. Ohatra amin’izany ny tsy fananana lisea”, hoy ny Ben’ny Tanana, Barisoa Davida Andriamananjara.
Ankoatra izany, tsy afaka manohy ny fianarany eny amin’ny ambaratonga ambony ny tanora ao an-toerana noho tsy fahampian’ny enti-manana. Ny fametrahana ivon-toerana mampiofana arak’asa no vahaolana hitan’ny tomponandraikitry ny Tanana. “Manao antso avo amin’ireo malala-tanana, mpamatsy, fitondram-panjakana hametraka foto-drafitra asa ahafahana mampiofana ireo tanora amin’ny sehatry ny asa tanana, tefy vy, tao trano sy ny maro hafa”, hoy ny hatrany ny Ben’ny Tanana. Ho fampananan’asa an’ireo tanora tsy mahefa amin’ny famitana ny fianarany no tanjona eto.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *