Isan’ny fanamby napetraky ny Prezidan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ny fametrahana toeram-pitsaboana isaky ny distrika manerana ny Nosy.

Ny ben’ny tanàna Rabearisoa Hanta nandray ny prezidan’ny repoblika
Nahazo izany ny kaominin’ny Bongatsara ankehitriny ary nahazo toeram-pitsaboana goavana manaraka ny fenitra takin’ny eo amin’ny sehatry ny fahasalamana.
Afa-pahasahiranana ny mponina ao Bongatsara satria dia tsy mila miakatra any an-dRenivohitra intsony rehefa hitsabo tena fa vita ao an-toerana avokoa ny fitsaboana rehetra, hoy ny ben’ny tanàna Rabearisoa Hanta. Matetika maty eny an-dalana ny marary raha tojo fahasarotana satria tsy maintsy mihazo ireo hopitalibe eto an-dRenivohitra, izay 15 km raha miala eo Anjomakely. Noho izany dia hahazo tombony amin’ ity toeram-pitsaboana ity ihany koa ireo mpampiasa ny RN7, hoy izy.

Tonga teny Bongatsara ny Prezidan’ny Repoblika Rajaonarimampianina, nitokana ireo foto-drafitrasa fototra
Ankoatra ny toeram-pitsaboana dia nisy ihany koa ny biraom-pokontany, ny efitranon-tsekoly roa vaovao ao amin’ny EPP Amberokely ary ny lalana mampitohy ny kaominina izay notokonana nandritra io fotoana io.
Azo tsapain’tanana ary miori-paka ho an’ny vahoaka ny zava-bita toy izao, hoy hatrany ny ben’ny tanàna, ka ny fikojakojana azy ireny no tokony atao laharam-pahamehana.
Miora Razafy / Nirina R. / Lynda