politique

JOSEPH RANDRIAMAMPIONONA (DADAFARA) : Mifanohitra amin’ny sary niparitaka ny fanapaha-keviny


Nisafidy ny hanohana ny kandida Andry Rajoelina i Joseph Martin  Randriamampionona na i dadafara. Raha toa ka niparitaka tany amin’ny tambazotran-tserasera “facebook” ny sariny niresaka tamin’i Marc Ravalomanana dia mifanohitra amin’izany ny zava-mitranga. Nanao fanambarana ny birao nasionaly ny antoko “refondation totale de Madagascar” (RTM) izay tarihiny androany 3 desambra 2018. “ Samy nihaona tamin’ireo kandida roa hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ny  tenako. Nifanakalo hevitra tamin’i Andry Rajoelina nandritra ora roa aho ary tsapako fa olona mahay mihaino izy”, hoy i dadafara.  Nilaza ihany koa izy fa nifanakalo hevitra tamin’ny kandida Marc Ravalomanana teny amin’ny QG-ny saingy roa minitra monja ny faharetany ny resaka ary tsy mbola nisy ny fanapaha-kevitra hanohana ity kandida ity dia efa niparitaka tao amin’ny “facebook” ny sary.

Tapaky ny  birao nasionaly ny RTM fa ny kandida Andry Rajoelina no hotohanan’ny antoko.  Nanamafy i dadafara nametraka fepetra tamin’i Andry Rajoelina. Ao anatin’izany ny fitanana ny teny nomena sy ny fisian’ny asa mivaingana. “Hiara-hiasa akaiky izahay rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ary hanolo-tsaina azy aho”, hoy i dadafara.

Lynda A.


2 comments on “JOSEPH RANDRIAMAMPIONONA (DADAFARA) : Mifanohitra amin’ny sary niparitaka ny fanapaha-keviny

  1. Pingback: JOSEPH RANDRIAMAMPIONONA (DADAFARA) : Mifanohitra amin’ny sary niparitaka ny fanapaha-keviny - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *