De-Lire

ILES EPARSES : valalan’alika ka ny solombavambahoaka indray no tsy tia.


Mbola azo lazaina fa solon’ny vavan’ny vahoaka ve ny 15 izay nihaino an’ireo mitaky ny « iles eparses » sa tsy ilaina fa tsy manana valizy ? 15 izany sisa ny solon-tenanareo ry vahoaka 22 tapitrisa. Iaraha-mahalala ihany koa ny fanaratsiana azy ireo rehefa mahazo « micro » kanefa hay ilaina ny fisiany. Vava no tsy atao be, ny mamerina azy no tsy laitra e !

Nomena sehatra hiteny koa ry zareo mpitaky kanefa efa any amin’ny famaranana ny fivoriana ara-potoanan’ny antenimierampirenena vao natao , koa iza no hiraharaha anareo eo , ny olona efa any amin’ny famaranana ny sainy sy ny fanahiny. Aza gaga isika raha tsy raharahian’ny Frantsay ny fangatahan’ny Malagasy ny hamerenana ireo nosy kely izay antsika ireo satria ny solon-tenan’ny vahoaka ato anatiny aza tsy miraharaha. Ity ny tonga amin’ny fitenenana hoe « valalan’alika ka ny solombavambahoaka indray no tsy tia ».

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *