Socio-eco

HOPITALY KOKILABEN: Eric Fou Hehy, olom-baovao


Vita soamantsara ny famindrana voa sy aty natao tamin’i Eric Fou Hehy. Efa manomboka mihatsara ny fahasalamany amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavan’ny solontenan’ny hopitaly Kokilaben Dhirubhai Ambani eto Madagasikara Sunel Kumar. Arakaraky ny fivoaran’ny fahasalamany no hivoahany hopitaly. Mety haharitra telo na enim-bolana eo ny fanarahamaso ny fahasalaman’i Eric, hoy ny dokotera Sanjay Pandey, manam-pahaizana manokana momba ny fitsaboana ny voa (urologue). Nohamafisin’i Eric, tamin’ny resaka nifanaovana taminy tamin’ny alalan’ny “whatsapp” fa mbola betsaka ny fanarahamaso atao aminy toy ny rà sy ny maro hafa. Nilaza anefa izy fa efa salama tsara ary efa “Eric olom-baovao”. Raha tsiahivina dia efa herintaona izao no nandeha nitsabo tena tany Inde ity mpanao hatsikana malaza ity. Aretin’ny voa no nahazo azy. Mialoha ny namindrana ny voa tao aminy dia tsy maintsy nodidiana ny atiny satria efa potika be ary nosoloina.

Vitan’ny hopitaly Kokilaben avokoa ny fitsaboana sarotra indrindra, hoy ny dokotera Sanjay Pandey. Feno folo taona ity hopitaly any Inde ity. Ny famindràna voa sy aty ary fitsaboana ny homamiadana mpahazo ny ankizy sy ny olon-dehibe no tena nahafantarana azy fa azo tsaboina ao avokoa rehefa karazana aretina rehetra. Mampiavaka ny hopitaly ny fampiasàna teknolojia avo lenta toy ny “chirurgie robotique”, miasa 24 amin’ny 24 ora ny dokotera ary mahazo fanarahamaso daholo ny marary rehetra. Marihina fa mampahafantatra ny mombamomba azy mandritra ny filan-kevi-paritry ny holafitry ny mpitsabo Analamanga, ny 19 jolay 2019 eny amin’ny Carlton Anosy ny hopitaly Kokilaben.

Lynda A.


One comment on “HOPITALY KOKILABEN: Eric Fou Hehy, olom-baovao

  1. Pingback: HOPITALY KOKILABEN: Eric Fou Hehy, olom-baovao - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *