Socio-eco

HOMAMIADANA MPAHAZO NY VEHIVAVY: Voasoroka rehefa fantatra mialoha


Tonga eto Antananarivo ny fiara “Luisa” hanao fitiliana maimaim-poana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza. Mandritra ny enina andro, handalo eny amin’ny fokontany Ambatoroka, Andohan’i Mandroseza, Antanimora, Manakambahiny ity fiaran’ny “Fondation Akbaraly” ity. Manomboka ny alatsinainy 12 ka hatramin’ny 17 martsa ny hetsika. “1800 eo ny vehivavy kasaina hanaovana fitiliana”, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny “Fondation Akbaraly”. Mba hisian’ny fandaminana, mila misoratra anarana mialoha eny amin’ireo birao fokontany handalovan’ny fiara “Luisa” ireo vehivavy te hanao fitiliana. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra hatrany, tany amin’ny faritra “Haute Matsiatra” no tena niasa ity fiara ity ary voalohany izy izao handalo eto Antananarivo izao.

Nihena

Efa dimy taona ny “Fondation Akbaraly” no nanao fanentanana momba ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza teto Madagasikara. Manana ivon-toerana roa ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza any Fianarantsoa sy any Mahajanga ny izy . Dingana manaraka ho tanterahiny ny fanokafana ivon-toerana eto Antananarivo mba hisorohana sy hanentanana ny homamiadana mahavoa ny vehivavy. 1600 isan-taona ny vehivavy mararin’ny homamiadana tsaboin’ny hopitalim-panjakana. Homamiadana efa lasa lavitra ny 50 % amin’ireo ka ny fanalefahana azy sisa no azo atao. “Nihena ny tahan’ny vehivavy mitondra ity aretina mahafaty ity tao anatin’izay fotoana nanomezan’ny “Fondation Akbaraly” fitiliana maimaim-poana izany. Niakatra ny tahan’ny vehivavy manao fitiliana. Voasoroka ny fihitaran’ny aretina, mora ny hanasitrana azy rehefa fantatra mialoha”.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *