Socio-eco

HERISETRA AMIN’NY ANKIZY: Naolan-drainy ny zanany miisa dimy


Manao antso avo amin’ny fiarahamonina ny tale misahana ny ankizy sy ny fianakaviana ao amin’ny ministeran’ny mponina, Rasolofonjatovo Auguste mba hampandre ny tomponandraikitra raha mahita tranga maniratsira ny zon’ny ankizy toy ny herisetra, fampiasana zaza tsy ampy taona, fidarohana zaza, fanolanana… Azo atao ny miantso ny laharana maitso 147. “Maimaim-poana ny antso ho an’ny tambazotra rehetra. Tsy voatery manonona anarana ilay olona manao ny fitorohana fa iangaviana mba zavatra mitombona no lazaina”, hoy ny tale misahana ny  ankizy sy ny fianakaviana ao amin’ny ministeran’ny mponina, Rasolofonjatovo Auguste.

Raiso ny andraikitra

Mampigadra ny fanaovana herisetra amin’ny ankizy. Vao tapa-bolana izay, rangahy 48 taona nidoboka eny Tsiafahy. Tapitra naolany ity raim-pianakaviana ity ireo zanany dimy vavy. Teny Ankorondrano ry zareo no nipetraka. Niterahany mihitsy ny vavimatoa. Raha ny vaovao voaray, lasa adala ny vadin-drangahy. Vokany, tsy afaka nanome fahafaham-po azy amin’ny resaka firaisana ara-nofo intsony ramatoa ka ireo zanany vavy no nanamparan’ny filany.  Araka ny fanazavan’ny tale Rasolofonjatovo Auguste  hatrany fa efa nisy ny fitorohana nataon’ity vavimatoa ity saingy notsoahany indray ny fitoriana satria tsy tiany higadra ny rainy. Nitohy hatrany ny asa ratsin-drangahy ka nasesiny naolana ireo zanany vavy efatra. Enin-taona ny kely indrindra tamin’ireo. Raha natao ny fitiliana dia potika tanteraka ny taovam-pananahan’io zazavavikely io ary mety tsy hiteraka izy any aoriana any.

Nanan-janaka hafa ray ramatoa vadin-drangahy ka io no nitantara tamin’ny tomponandraikitry ny ministeran’ny mponina  ny zava-nitranga. Nirosoana ny dingana rehetra dia izao nijinja ny nafafiny izao rangahy.  Nilaza ny  tale misahana ny ankizy sy ny fianakaviana fa efa noraisina an-tanana ireto niharan’ny herisetra ireto na eo amin’ny lafiny fitsaboana na ny fanarenana  ara-tsaina sy ara-tsosialy. Marolafy ny fiarovana ny zon’ny ankizy ka mitaky ny fandraisana andraikitry ny mpiantsehatra rehetra. Ho fandrindrana ny asa eo amin’ireo mpiantsehatra miaro ny zon’ny ankizy indrindra no antom-pisian’ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena misahana ny ankizy (PFSCE).

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *