Socio-eco

HAZANDRANOMASINA MISY POIZINA: Vanim-potoanany izao


Mateti-pitranga amin’ny faritra manamorona ny morontsiraka eto Madagasikara ny fanapoizinana vokatry ny fihinanana hazandranomasina. Misy tranga foana isan-taona. Anisany sakafo manan-karena otrikaina ny hazandranomasina saingy mety hiteraka tsy fahasalamana sy aretina raha toa ka tsy mitandrina. Miteraka fanapoizinana ny fihinanana hazandranomasina misy poizina na  ny tsindron’ireo tsilo misy poizina eo amin’ny vombony ny trondro. Azo sorohana tsara anefa izany fahapoizinana avy hazandranomasina izany  amin’ny alalan’ny  fampahafantarana bebe kokoa ireo mpanjono sy ny mpikirakira ireo santionan’ny karazan-trondro fahita matetika misy poizina na amin’ny alalan’ny tsindrona na amin’ny fihinanana azy na ny fanarahana  ny toro-làlana sy ny famantarana ny antony mahatonga ny fanapoizinana ary ny fotoana mety mampisy ny poizina.

Santionany amin’ireo hazandranomasina mety hiteraka fanapoizinana ny fihinanana azy mandritra ny fotoana voatondro ny  atsantsa, ny geba, ny sokatra an-dranomasina. Matetika eo anelanelan’ny volana novambra ka hatramin’ny volana aprily, indrindra amin’ny vaninandro mafana ny vanim-potoana ahitana ireo hazandranomasina misy poizina. Koa entanina ny rehetra mba hanaraka ny toro-làlana omen’ny tomponandraikitra toy ny hoe: tsy azo atao ny manjono, ny mitatitra, ny mivarotra ary mihinana ireo karazana hazandrano misy poizina voarara mandritra ny voalohan’ny volana novambra hatramin’ ny faran’ny aprily,  mila manatona ny tobim-pahasalamana  akaiky indrindra raha vao misy trangan’aretina miseho taorian’ny fihinanana hazandranomasina.

Nangonin’i Lynda A.


One comment on “HAZANDRANOMASINA MISY POIZINA: Vanim-potoanany izao

  1. Pingback: HAZANDRANOMASINA MISY POIZINA: Vanim-potoanany izao - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *