De-Lire

Groupe Dangote Sénégal: Etotry ny mpifàna koa?


Mbola tadidintsika tsara angamba ilay Printsy Nizeriana tonga taty Madagasikara tamin’ny fotoanan’ny repoblika faharoa-ndRatsiraka…Noraisina tamin’ny fomba makotroka mihitsy fa hanamboatra trano 2 alina isa, hanagana ozinina fanaovana simenitra, hitrandraka solika sns…kanefa Inona moa no nitranga ? Very an-javony toy ny etotry ny mpifàna ny raharaha hatramin’izao…

Fa natao laza masaka ihany koa ny Printsy mpanefoefo maneran-tany tonga teto amintsika nandritra ny repoblika fahatelo-n’I Zafy Albert, izay nilaza fa hanome vola antsika hatrany amin’ny 2 miliara Dôlara, mba hanaovantsika izay mahafinaritra antsika e! Fa hatramin’izao dia very an-javony koa izany, ary namoa-tsampona hatramin’ny Flamco sy ny variny koa tamin’izany…

Nanao ny valabe hiarovana ny omby ihany koa Ravalomanana tamin’ny androny…heverina ny hisian’ny puce amin’ny omby tsirairay, hoy ny fanazavana nentiny. Hamboly katsaka amin’ny velaran-tany midadasika ihany koa ny Daewoo raha ny vina sy ny fieboana…Fa mbola very an-javony toy ny etotry ny mpifana koa iny…

Nisy Printsy Saodianina ihany koa nentin-dRajoelina teo tamin’ny tetezamitany, ary nanaovana angoa-tenda fa olona tsara fanahy hitantana ny “hôtely sainky etoala” teny Ivato…Iza no tsy nahatadidy ny resaka Wisco sy ny fitrandrahany vy tao Soalala? Fa very an-javony daholo izany e, ary toy ny etotry ny mpifàna…

Fa nizahazaha ny mahasoa azy sy ny fireneny ny Praiminisitra Ravelonarivo amin’izao fanjakan-dRajaonarimampianina izao…ary tongany eto hanampy antsika hanamboatra ozinina fanaovana simenitra sy hijery ny fambolena ny groupe goaibe Dangote avy any Senegal, ary ho avy tsy ho ela aty ihany koa ilay debaben’ity Dangote ity izay Nizeriana… Io kosa angamba tsy etotry ny mpifàna…


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *