Socio-eco

GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR: Manolotra zava-baovao ho an’ny mpitsidika


Sehatra iray ahafahana mivarotra entana haingana sy mampiodina ny vola ampiasaina ny hetsika ara-barotra. Natao hampivondronana ireo mpivarotra entana isan-karazany, orinasa madinika sy salantsalany ary vaventy mba hanatonana akaiky ny mpanjifa ihany koa. Amin’izao fidiran’ny mpianatra izao dia hizara fanomezana ho an’ny mpitsidika ireo mpandray anjara amin’ny “grande braderie de Madagascar”. Ny 3 ka hatramin’ny 7 oktobra 2018 ho avy izao, eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no hanatanterahana ity hetsika karakarain’ny Mada Vision ity.
Nahafantarana ny “Grande braderie de Madagascar” ny fivarotana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny akanjo, kiraro, fitaovan’ny mpianatra, sakafo, kojakojan-dakozia, tany…Mampiavaka ity andiany ity ny fivarotana rindram-baiko ampiasaina amin’ny fitantanana orinasa, fampahafantarana ny asan’ny “ingénieur industriel”. Hanao fanentanana sy hiara-hilalao ho an’ny ankizy ny mpanentana “Jasmine”. Hisy ihany koa ny lalao natokana ho an’ny tanora izay hahazoana loka isan-karazany. “Na dia tsy mitsaha-mitombo aza ny hetsika ara-barotra etsy sy eroa dia manana ny mpankafy azy ny “Grande braderie de Madagascar” tao anatin’izay 20 taona izay”, hoy ny mpikarakara, Harilala Ramanantsoa. Anisany tsy hahafoizan’ny besinimaro ny hetsika rahateo ny fisian’ny fihenam-bidy 15 % no miakatra amin’ireo karazan’entana tsara kalitao.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *