Socio-eco

Golden center : Nampiasa taratasy hosoka, hoy ny CUA


Tonga nihaona tamin’ny Lefitra Voalohan’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo androany ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny Golden Center, izay tranombarotra nakatona tetsy Behoririka.

Anisan’ny notakian’ny fiadidian’ ny tanànan’Antananarivo-Renivohitra ny tokony hanaovana fiantohana na « Assurance » mifandraika amin’ny foto-drafitrasa sy ny momba ny fahamaizana. Tsy izany anefa ny taratasin’antoka nomeny fa fiantohana momba ny afo sy ny halatra (Assurance contre incendie et vol). Tsapan’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra anefa, ary mba hialàna amin’ny fanomezan-tsiny ireo tompon’andraikitra, fa sady hosoka ny taratasy fanamariham-piantohana (Attestation d’Assurance) no tsy mamaly izay nangatahina taminy ny tompon’ny  Golden Center.

Manazava ny Lefitra Voalohan’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Jean Gabriel HARISON :


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *