Socio-eco

FOFIFA: Mpiasa 200 isa, fito volana tsy nandray karama


Efa feno ny kapoaka ka nitokona tsy niasa ireo mpiasan’ny FOFIFA ( Foibem-pirenena momba ny fikarohana ampiharina amin’ny fambolena). Nanao fitokonana teo anoloan’ny biraon’ny FOFIFA teny Ampandrianomby ny telo ampahaefatry ny mpiasa ny 24 septambra 2019. Ankoatra ny horakoraka fitakian-karama dia nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny sora-baventy ny hetahetan’izy ireo. Nambaran’ny mpitondra tenin’ireo mpiasa , Randrianarivony Hery Lalao fa efa ho fito volana izy ireo no tsy nandray karama. Mpiasa 200 isa eo no voakasik’izany. Nisy tamin’izy ireo no nindram-bola tamin’ny banky mba hampandehanana ny fiainan’andavanandro toy ny hofan-trano, ny saram-pianaran’ny mpianatra, ny jiro sy rano, ny sakafo. Tao ihany koa no nindram-bola tamin’ny fianakaviana, namana. “Ankehitriny anefa dia efa bokan’ny trosa izahay kanefa mbola tsy nahazo karama ihany. Ny sasany efa mahazo fandrahonana avy amin’ny tompon-trano. Izany indrindra no anton’izao fitokonana izao mba fantatry ny  tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny, ny filohampirenena ny zava-misy ka handraisan’izy ireo fepetra haingana sy tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao intsony”, hoy Randrianarivony Hery  Lalao.

Araka ny fanazavan’ny solontenan’ireo mpiasa hatrany dia efa nisy ny fifampiresahana tamin’ireo tomponandraikitra anatiny sy ministera mpiahy ny FOFIFA saingy tsy nahitam-bokatra izany. “Ny lehibenay aza tsy hitany intsony izay atao”, hoy izy ireo. Noho izany, “ tsy hiasa izahay mandra-pahatongan’ny karamanay fito volana”. Tsiahivina fa efa nahitana tranga tsy fandoavan-karama amam-bolana maro tahaka izao teny amin’ny ministeran’ny tontolo iainana. Ireo mpiasa “ECD” no niharan’izany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *