Actus

FJKM : Nibaboka teo anatrehan’ny Birao  ny pasitera Lala Rasendrahasina


Niaky ny tsy fietezan’ny zavatra nataony amin’ny fieritreretana madio ny Pasitera Lala Rasendrahasina, filohan’ny Fiangonana Jesoa Kristy eto Madagasikara.

Nisy ny fifonana nataony tamin’ny biraon’ny FJKM, ny mpino ary ny olona izay nahazo fahatafitohinana tamin’ireny zava-nisy ireny, izay tsy noheverina fa hiteraka resa-be teto amin’ny firenena raha ny fanazavana nomen-dRavalomanana Marc, mpikambana ao amin’ny birao FJKM. Nisy araka izany ny fepetra noraisin’ny birao maharitry ny FJKM nandritra ny fotoam-pivoriana maharitra notanterahan’izy ireo tao anatin’ny andro vitsivitsy izay tsy azo natrehan’ny olona.

Tapaka tamin’izany fa esorina amin’i Pastera Lala Rasendrahasina ny andraikitra maha filoha azy fa mbola mipetraka ho filohan’ny FJKM ihany ny tenany. Ny filoha lefitra Zara Zaka Jean Louis no mandray ny andraikitra feno nosahaniny ary manampy amin’ny fitantanana ny birao rehetra. Nomena mpamily fiara manokana ny filohan’ny FJKM amin’ny toerana rehetra alehany ary ny fahatelo dia amin’ny tapaky ny volana Martsa ho avy izao dia hafindra etsy Ampandrana ny birao foiben’ny FJKM.

Hisy ny fampahafantarana izao fanapahan-kevitra izao manerana ny fiangona FJKM eto Madagasikara raha  ny fanambarana novakian-dRandrianarivo Maurice, mpanolontsaina ao amin’ny birao FJKM izay notanteraha tetsy Ampandrana.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *