Mahoraka

Fitsinjarana solika : Misy rano sy tsy ampy fatra hoe?


Manoloana ny fitarainana tonga eny anivon’ny tompon’andraikitra ambony misahana ny solika eto Madagasikara dia nisy ny fanazavana nentin’izy ireo  tetsy amin’ny tranoben’ny varotra Antaninarenina .

Anisan’ny fitarainana betsaka azo ny momba ny fatra tsy ampy sy ny kalitaon’ny solika izay be mpilaza fa misy rano.

Raha ny fanazavana nomen-dRakotozafy Jean Martin, Filohan’ny GPGLSS dia entitra ny fanaraha-mason’ny kalitao ho an’ireo mpanjinjara solika  efatra miasa eto amintsika vao miala any am-potony ka hatrany amin’ny fitsinjarana ny solika.

Tsy misy atahorana, hoy hatrany ny fanazavana, raha  ny kalitao no resahana. Momba ny fatra tsy ampy dia nambaran’ireto mpikarakara ireto fa dimy litatra fara fahakeliny ny solika tokony ho vidiana vao manaraka ny fenitra ny fatran’ny solika amin’ireny paompin-tsolika ireny, fa raha latsak’izay ny fatra vidian’ny mpanjifa  noho ny fitsinjovana ny fahefa-mividin’ny tsirairay dia miova kely ny fatran’ny solika. Manentana ny mpanjifa ireo tompon’andraikitra ireto mba hivoaka ka hanara-maso ny famarana ny solika rehefa mividy izany.

Tokony hanao fitarainana eo no ho eo ny mpanjifa ary tokony haka faktiora rehefa mividy solika raha misy ny olana fa tsy miandry andro maromaro vao manao fitarainana, hoy hatrany ny tompon’andraikitra.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *