politique

FILOHAN’NY UNRRM: « Ndao atao tahaka ny fitiavana ny Barea ny fitiavana ny firenentsika”


Tsy ho ela dia hiroso amin’ny fifidianana ben’ny tanana sy mpanolontsaina isika. Maro amin’ireo olom-pirenena, mpanao politika, fiarahamonimpirenena no manahy mafy  ny hisian’ny hosoka sy halabato indray. Anisan’izany ny “hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka sy ny halabato amin’ny fifidianana” na H.O.M.2H.F. Naseho an-tsary  tamin’io fotoana io ny endriky ny hosoka sy ny halabato nitranga tamin’ny fifidianana tamin’ny distrika maro samihafa ary mbola mangataka amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) ny H.O.M.2H.F hanome fanazavana misimisy kokoa momba ireo fitoriana 684 tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Nambaran’ny filohan’ny nasionalin’ny antoko  UNRRM (Union Nationale pour la Refondation et la Reconstruction de Madagascar), Rajerison Nicole Véronique fa tsy nitsara mihitsy ny HCC tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Rajerison Nicole véronique“Satria ve mety nisy tsindry avy any ambony?”  Lesoka be eto amin’ny firenena hoy izy ary anisany mampihemotra ny mpifidy izay tsy hifidy intsony izany. “Ka aoka re handeha amin’ny fahamarinana na mpitondra na ny vahoaka. Ndao atao tahaka ny fitiavana ny Barea ny fitiavana ny  firenentsika”.

Tsapa tamin’ny fandraisan’anjaran’ny ekipam-pirenena malagasy, Barea tamin’ny CAN 2019 fa tsy mila terena ny vahoaka rehefa hiray hina. Anisan’ny nitsena ny ekipa-pirenena ihany koa ity filohan’ny antoko UNRRM ity.

Nirina R/Lynda A.


One comment on “FILOHAN’NY UNRRM: « Ndao atao tahaka ny fitiavana ny Barea ny fitiavana ny firenentsika”

  1. Pingback: FILOHAN’NY UNRRM: « Ndao atao tahaka ny fitiavana ny Barea ny fitiavana ny firenentsika” - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *