Mahoraka

Filohan’ny filankevitry ny CUA : Manao fitakiana maro sosona


Tsy nipetra- potsiny intsony ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra, fa nihetsika ary namoaka ny hetahetany, indrindra fa ny filohan’ny filankevitry ny kaominina.

Nanatanteraka fanambarana ny tenany  tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, ary fitakiana maro sosona no voarakitra tao anatin’izany. Isan’ireo ny fitakiana amin’ny hamerenana amin’ny kaominina ny fitantanana ny SAMVA satria mampisavorovoro ny saim- bahoaka ny tsy fahatanterahany ny asany. Etsy ankilany, ny fitakiana ny hamerenana ny handefasana ny onjapeo sy ny fahitalavitry ny kaominina Antananarivo renivohitra, hahafahana manabe sy mampahafantatra ny olom- pirenena ny zava- misy rehetra. Fahatelo manaraka izany, ny fitakiana ny hanokafana ny kianjan’ny demokrasia mba hampanjakana tanteraka ny fahalalahan’ny fanehoan- kevitry ny rehetra.

Hisy hihaino ve ireto ao anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’izao. Fitakiana maro sosona izao? Hanao ahoana ny fihainoana azy ireo, indrindra amin’izao fahatontosan’ny fifidianana loholona izao? Miandry isika…


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *