Tao anatin’ny efa-taona nitondrana an’i Madagasikara, nambaran’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy nandritra ny fifampiarahabana nahatratry ny taona 2018, teny Iavoloha fa nihena 18 % ny Malagasy miaina ao anatin’ny fahantrana. Nidina ho 70 izany raha 92 % teo aloha. Iza avy ireo niala tao anatin’ny fahantrana ? Ao anatin’izany ve ireo mahantra teny ambany tonelina, teny amin’ny « la réunion kely » izay nozarain’ny Filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA fanomezana tamin’ny faran’ny taona ?
Amin’izao an-katoky ny fifidianana Filohampirenena izao, nilaza ny Filohampirenena fa hanomboka hijery ny olan’ny rano any Atsimo, hampiditra jiro amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina, isan-tokantrano izy.
Omby elektronika
Mirongatra hatrany ny halatra omby eto Madagasikara. Vahaolana hitan’ny Filohampirenena Malagasy ny fametahana « puce électronique » ny omby mba hanaraha-maso azy. « Hatomboka ihany koa izany », hoy izy.
Teny filamatra an’ny fitondram-panjakana amin’ity taona 2018 ity ny fitohizan’ny fisandratana.
Lynda A.



