Socio-eco

FIKAMBANANA FAN’DIO: Nanatevin-daharana ny « tagnamaro »


Tsy  fanodinana sarimihetsika no nataon’ny ekipan’ny « Scoop Digital » teny amin’ny EPP Ambohipo, androany sabotsy 27 aprily 2019  fa fandraisana anjara amin’ny fanampiana ny mpiara-belona. Tamin’ny alalan’ny fikambanana FAN’dio dia nanatevin-daharana ny hetsika « tagnamaro : andron’ny olom-pirenena » ny ekipan’ny trano mpamokatra sarimihetsika « Scoop Digital ». Nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ny fikambanana, Razafimandimby Mamitiana fa  hetsika efa fanaon’ny fikambanana hatramin’izay ny asa fanadiovana. Ho fandraisana andraikitra amin’ny maha olom-pirenena sy fanentanana ny hafa dia niara-nientana tamin’ny tagnamaro, notarihin’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina izahay, araka ny fanazavany.

Fikambanana mpanao asa fanadiovana ny FAN’dio. Anisany nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanomezana fitaovana ampiasaina amin’ny fandokoana sy loko ny fikambanana nandritra ny hetsika. Ankoatra izany dia nanampy tamin’ny fanadiovana ny tokontanin-tsekoly, ny fandokoana ny tamboho ary ny fanamboarana ny zaridaina tao amin’ny EPP Ambohipo ny mpikambana ao amin’ny FAN’dio.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *