Socio-eco

FIKAMBANANA EFOI: Ny fandrindrana ny tokantrano sy ny asa


Mpikambana 128 ao amin’ny fikambanana EFOI (Entreprendre au Féminin Océan Indien) nahazo fiofanana tao anatin’ny telo andro. Nifarana androany 22 novambra 2018 ny fampiofanana. Ny mpiara-miombona antoka amin’ny EFOI no nanao ny famelabelarana Ao anatin’ny tetikasa PROCOM izay vatsian’ny vondrona eraopeanina ity fiofanana fanamafisana ny fahaiza-manao ny vehivavy mpandraharaha mpikambana ao amin’ny EFOI manerana ny faritra ity. Niofana momba ny fandrindrana ny asa aman-draharaha amin’ny fiainana ao an-tokantrano sy ny fikambanana ireto vehivavy ireto. “Mandringa ny fikambanana satria tsy ampy traikefa ahafahana mampiroborobo ny asa aman-draharaha izahay. Tombony ho anay vehivavy mpandraharaha indray ny fiofanana nandritra ny telo andro. Fitaovana hampandrosoana ny asa aman-draharaha ny vehivavy mpandraharaha ity hetsika ity”, hoy ny mpandrindra ny EFOI Toliara, Lalaina Razafitombo.

Miainga amin’ny fikambanana ny fototra hampiroboroboana ny orinasan’ny vehivavy mpandraharaha ao anatin’ny fikambanana. Olana ho an’ny mpikambana anefa ny fitadiavana famatsiana ara-bola. Manao antso ho an’ireo malala-tanana izy ireo. Ho fanampiana ny asa fiveloman’ny mpikambana no antom-pisian’ny EFOI. Anisan’izany ny fitadiavana lalam-barotra. Nilaza ny mpandrindra ny EFOI Nosy-Be fa nanampy tamin’ny fivarotana malakilaky ny vokatr’izy ireo ny fandraisana anjara tamin’ireo karazana foara na teto an-toerana na tany ivelany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *