Socio-eco

FIKAMBANANA AFAMPO: “Hanandratra ny olombelona amin’ny maha olona azy”


Tsy ny tontolo iainana ihany no simba eto Madagasikara fa ny tontolom-piarahamonina ihany koa, hoy ny filohan’ny fikambanana AFAMPO (Antoky ny Fanabeazana ny Mponina), Tavandrena Paulin. Te hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ireo mpampianatra eny amin’ny ambaratonga ambony ka fananganana ny fikambanana AFAMPO no lalana hitan’izy ireo hanatanterahana izany. “Ny fikambanana  ahafahanay manampy ny mponina eny amin’ny ambanivohitra sy an-drenivohitra mba hampiakatra ny fari-piainan’izy ireo ny fambolena sy ny fiompiana.”, hoy ny filoha Tavandrena Paulin. Tsapa fa mamboly sy miompy mba hohanina ny ankamaroan’ny tantsaha. Indraindray aza tsy ampy atao sakafo ny vokatra satria tany kely fotsiny no hambolena. Tsy ny vatana ihany no maha olombelona ny olombelona fa eo ihany koa saina, ny fanahy, hoy izy. Mba hanandratana ny olombelona amin’ny maha olona azy no tanjon’ny fikambanana. Ho seha-pihariana mampidi-bola ny mponina ny fambolena, ny fiompiana, ny asa tanana…

Hiainga amin’ny fanentanana ny mponina mba hamokatra ny asa ho tanterahan’ny fikambanana. Araka ny fanazavan’ny mpanara-maso ara-bola, Rakotomalala Sahondra fa tsy hijanona amin’ny fanentanana ihany no ho atao fa hanampy ny mponina amin’ny fitadiavana lalam-barotra ihany izy ireo.  Fa mialoha izany dia hidina eny ifotony hijery ny sakana mahatonga ny fambolena sy ny fiompiana tsy mampandroso ny maha olona. Eny Ilafy no hanombahana izany satria eny ny foiben’ny fikambanana ary hiitatra tsikelikely any amin’ny faritra hafa izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *