Socio-eco

FIHAONANA ARA-TOEKARENA : Hamahana ny sakana


Hodinihina mandritra ny « forum économique de Madagascar » andiany voalohany ny paika ady ahafahan’i Madagasikara mahaleo tena ara-bola. Hamelabelatra momba izany eny amin’ny Carlton Anosy ny 26 sy ny 27 martsa 2018 ny solontenan’ny banky iraisam-pirenena sy ny mpikambana ao amin’ny « cercle de réflexion des économistes de Madagascar » (CREM). Horesahana mandritra ny « forum » ihany koa ny sakana hatrehina amin’ny fampivoarana ny indostria eto Madagasikara. Handray anjara amin’ny famelabelarana ny solontenan’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM), ny manam-pahaizana avy eto an-toerana momba ny lohahevitra, ny mpanao politika. « Hanoritana ny fepetra hampiakarana ny toekarena Malagasy ny famaritana ny sakana sy ny fitadiavana ny vahaolana ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara natao tamin’ity fihaonana ity », hoy ny fanazavan’ny tomponandrakitry ny CREM.
Raha fehezina, ny fanodinana ny vokatra, ny foto-drafitra asa sy ny fampiasam-bola, ny andraikitry ny fanjakana amin’ny lafiny ny toekarena no lohahevitra hovoamboasina mandritra « forum économique de Madagascar ». 200 ny mpandray anjara handrasana.
Lynda A.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *