politique

FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA: Ny mpifidy indray no tsy tonga


Tsy ao anaty lisi-pifidianana kanefa efa nifidy tamin’ny fifidianana filohampirenena 2018. Nahitana tranga tahaka izany teny amin’ny biraom-pifidianana EPP Ambatofotsy Gara, kaominina Tsiafahy ny marainan’ny fifidianana solombavambahoaka, ny 27 mey 2019. Efatra ireo mpifidy no tsy tao anaty lisi-pifidianana. Niakatra ny isan’ny mpifidy dia nihoatra 700 ny isan’ny mpifidy tao amin’ny birao fandatsaham-bato iray ka rehefa mihoatra dia tsy maintsy hanaovana biraom-pifidianana hafa, araka ny lazain’ny lalàna. Izany no mety mahatonga ilay mpifidy tsy ao anatin’ny lisi-pifidianana tao amin’ilay birao nandehanany tamin’ny fifidianana filohampirenena. Azo antoka 100 isan-jato anefa fa any amin’ny birao fandatsaham-bato hafa ny anarany satria tsy nisy ny fanesorana anarana tao amin’ny lisi-pifidianana », hoy ny filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), Rakotomanana Hery nandritra ny fitsidihana ireo biraom-pifidianana teny amin’ny distrikan’Atsimondrano. Raha ny tranga teny amin’ny birao fandatsaham-bato teny amin’ny EPP Ambatofotsy Gara nefa dia latsaky latsaky ny 700 ny isan’ny mpifidy ao anaty lisitra (650).

Nambaran’ny filohan’ny CENI fa nizotra araka ny tokony ho izy ny tapak’andro ny fifidianana solombavambahoaka. Ny lesoka tsy maintsy misy hoy izy fa ny fanatanterahana ny fifidianana am-pitoniana no tokony atao. Ny olana goavana dia tsy tonga indray ny mpifidy. Raha ny hita teny amin’ny biraom-pifidianana notsidihany dia nanodidina ny 7 ka hatramin’ny 10 % ny taham-pahavitrahan’ny mpifidy hatramin’ny 10 ora sy sasany maraina. Nisy tamin’ireo biraom-pifidianana no mpifidy 35 ka hatramin’ny 50 amin’ny 650 no mbola nanefa ny adidiny. Nanomboka teo amin’ny biraom-pifidianana LTP Alarobia nitohy teny amin’ny LTP Tefiso Mahasima Sud, EPP Tanjombato ary nifarana teny amin’ny EPP Ambatofotsy Gara ny fitsidihana nataony niaraka tamin’ireo mpanaramaso iraisampirenena momba fifidianana (PNUD,SADC, Union Africaine, Union Européenne, Norvège…).
Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *