politique

FIFIDIANANA KAOMINALY: “Soloy ny mpikambana ao amin’ny CENI sy HCC”


Tsy manaiky ny hanatanterahana ny fifidianana ben’ny tanana sy mpanolontsaina ny “hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka sy ny hala-bato amin’ny fifidianana” na (H.O.M.2H.F). Nanao jery todika ny fifidianana filohampirenena sy solombavambahoaka  ity “hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka sy ny hala-bato amin’ny fifidianana” ity nandritra ny  famelabelarankevitra natao teny Anosy ny 15 jolay 2019. Hita teny an-toerana ireo olom-pirenena, mpanao politika avy amin’ny antoko isan-karazany, solontenan’ny fiarahamonim-pirenena, ireo kandida tamin’ny fifidianana  filohampirenena sy solombavambahoaka… Naseho an-tsary tamin’io fotoana io ny  santionany  amin’ireo porofo milaza fa feno hosoka sy hala-bato ireo fifidianana teo aloha. Nambaran’ny mpitarika ny hetsika, Rakotomalala Henri  fa tsy azo ekena amin’ny fifidianana ben’ny tanana sy mpanolontsaina  ny endri-pifidianana feno hosoka sy ny hala-bato. Nivoitra tamin’ny famelabelaran-kevitra nokarakarain’ny  H.O.M.2H.F  ihany koa fa raha iny endri-pifidianana iny feno hosoka sy hala-bato tamin’ny fifidianana roa nifanesy  iny no mbola tohizana dia handiso fanantenana ny olom-pirenena ary vao maika hampidina ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy. Raha ireny fifidianana nifanesy ireny no jerena  dia tsy matoky ny mpikarakara fifidianana intsony ny vahoaka.

 Mba tsy hiverenan’ny hosoka sy ny halabato dia namoaka fehin-kevitra ny “hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka sy ny hala-bato”. Mangataka ny fanoloana ny mpikambana ao amin’ny vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana (CENI) sy ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC), mangataka ny fanaovazana ny lisi-pifidianana, mangataka ny hanomezan’ny HCC fanazavana misimisy kokoa  momba ireo fitoriana 684 tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ny hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka sy ny hala-bato”. Rehefa tanteraka izany rehetra izany vao miroso amin’ny fifidianana ben’ny tanana sy mpanolontsaina. Nilaza Rakotomalala Henri fa  fanomezan-tanana ny fanjakana izao hetsika izao satria manampy azy hanohitra ny hosoka sy ny hala-bato.

Lynda A.

 


One comment on “FIFIDIANANA KAOMINALY: “Soloy ny mpikambana ao amin’ny CENI sy HCC”

  1. Pingback: FIFIDIANANA KAOMINALY: “Soloy ny mpikambana ao amin’ny CENI sy HCC” - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *