Actus

Fifampiarahabana eny Iavoloha : « Ajanony fa mandany vola »


Manomboka tsy manaiky izay atolotra azy fotsiny ny olompirenena eto amintsika. Raikitra ny fifanentanana isan-karazany fa tsy mahasoa ary tsy ilaina akory ny fifampiarahabana fanao isan-taona fanaon’ny andrim-panjakana isan-tsokajiny eto amintsika.
Andian’olona hatrany amin’ny 1.500 (dimanjato sy arivo) no hiaka-dapa ka hitavana sy hisotro amin’io fotoana io. Tsy maintsy hotely avo dia avo amin’ny halafon-tsakafo ihany koa no hiasa eny.
Miitatra ny resaka ka tonga any amin’ny hoe: Tokony ajanona daholo mihitsy ny fifampiarahabana isaky ny ministera isan-tokony hoy ity hetsiky ny olompirenena ity. Hanana havaly ve ny eo anivon’ny mpikarakara ny fifampiarahabana sa dia hanao rodobe toy ilay tamin’ny fivahinianana tamin’ny COP 21 tany Paris indray?


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *