Socio-eco

Fiangonana Protestanta Malagasy Andafy : Nandalo Pasitera Ravalitera Jean


Nandalo teto Dago ny Prezida Synodaly (PS) Fiangonana Protestanta Malagasy Andafy (FPMA). Fantatry ny besinimaro teto an-tanindrazana sy ny any Eoropa araka ny anarany feno Ravalitera Jean, Mpitandrina. Docteur en Théologie ny lehilahy. Vahiny tsy nampoizina izy ka fifaliana lehibe ho an’ny Sakaizan’ny FPMA no nandray azy niara-nivavaka tetsy amy ny foibe Frenjy Faravohitra. Ny Dr Razafindrakoto Georges, Pastora FLM A         mbatovinaky no nitory ny Didy Vaovao (Jao. 13, 34-35).

Avy nankalaza jobily tetsy Ambohitantely ny PS Ravalitera Jean, kanefa tsy nanadino ny fiaraha-mivavaky ny S-FPMA fanao ara-potoana. Nohamafisina nandritra io fihaonana io ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Kristiana FPMA any andafy sy ireo Sakaiza efa nody aty an-tanindrazana. Noraisin’ny PS FPMA koa ny tatitra manamafy orina ny fifanekem-piaraha-miasan’ny FPMA sy ny tobilehibe Soatanana miray amin’ny FFPM eo amin’ny lafiny Fifohazam-Panahy. Mivelatra amin’ny lafiny rehetra izany fifandraisan’ny FPMA amy ny tobilehibe Soatanana izany. Misokatra malalaka ho an’ny FPMA ny vavahadin’i Soatanana, ary vonona handray Iraka mpitory Filazantsara sy mpanao Tafika Masina avy any Soatanana ny FPMA amy fotoana rehetra mety hilàna izany.

                                              P1100924

Efa nahatsidika ny tobilehibe Soatanana rahateo tamy volana aogositra ny Pasitera Andrianarivo Désiré, Mpitondra Fitandremana FPMA Dijon (Frantsa) nisantatra ny dinika amy Soatanana taty an-tanindrazana.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *