Sport

Fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany eo amin’ny taranja tsipy kanetibe: Ho raisin’Antananarivo


Manaiky ny handraisana ny  hatao eto Antananarivo ny 8 ka hatramin’ny 12 desambra ho avy izao ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana sy ny fiadidiana ny tanàna ary hanome ny foto-drafitrasan’ny Kaominina handraisana izany fihaonana ara-panatanjahantena iraisam-pirenena izany.

                         DSC_1044 DSC_1037

Io no vokatry ny fihaonana tamin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, ny filohan’ny federasiona iraisam-pirenen’ny tsipy kanetibe, Claude Azéma, ary ny avy amin’ny federasiona Malagasy misahana ity taranjam-panatanjahantena ity, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely androany maraina. Firenena miisa 48 no handray anjara amin’izany ary filohana federasiona misahana ity taranja tsipy kanetibe ity miisa 108 avy amin’ny lafy valon’izao tontolo izao. Ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina sy ny kianja mitafon’i Mahamasina no handray ity fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany amin’ny tsipy kanetibe na petanques ity. Nambaran’ny ben’ny tanàna tamin’izao fihaonana izao fa faly ny tenany amin’ny handraisan’Antananarivo ity fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany ity ary sady ho haingo no hampakatra ny lazan’ny Renivohitr’i Madagasikara izany hoy izy. Nankasitraka izao fandraisan’ny ben’ny tanàna azy ireo izao koa ny avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny tsipy kanetibe sy ny avy amin’ny Federasiona Malagasin’ity taranja ity.

Manazava ny filohan’ny federasiona Malagasy misahana ny taranjam-panatanjahantena tsipy kanetibe Atoa RAZAFINDRAINONY Béryl.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *