Faits-divers

FETIM-PIRENENA : HANOME FANALEFAHAN-TSAZY FAOBE NY PREZIDAN’NY REPOBLIKA


Miisa 13 158 ireo voafonja efa voatsara manefa ny saziny manerana an’i Madagasikara. 10 840 amin’izy ireo no hahazo fanalefahan-tsazy avy amin’ny Filoham-pirenena. Ary ny 2 747 dia afaka mivoaka avy hatrany. Tsy voakasiky ny fampiharana izany fanalefahan-tsazy faobe izany kosa anefa ireo olona voaheloka amina sazy tsy ahazoana fahalalahana toy ny vono olona sy ny vono olona nomanina, ireo heloka mamoa-fady, ny fanodikodinam-bolam-panjakàna, ireo heloka rehetra voalaza ary sazian’ny lalàna manasazy ny heloka rehetra mikasika ny andramena sy ny hazo mainty, ireo heloka momba ny famotsiambola.
Ity fanalafehan-tsazy faobe ity dia hanatsara ny ezaka atao amin’ny fampiharana ny fanajana ny zon’olombelona sy ny maha olona eny anivon’ireo fonja ary indrindra entina hamerana ny isan’ireo voafonja. Misy ihany koa fanapahan-kevitra noraisin’ny Filoham-pirenana amin’ny maha Filoha faratampon’ny foloalindahy azy dia ny fanalefahana amin’ny sokajin-tsazy voafaritra an’ireo miaramila niharan’izany teo anivon’ny tafika Malagasy. Ao anatin’ny fankalazana ny faha 61 taonan’ny niverenan’ny fahaleovan- tenan’i Madagasikara hatrany, dia nanome toromarika manokana ihany koa ny Filoham-pirenena, fa aorian’ny lanonana fankalazana ny fetim-pirenena dia hahazo fialan-tsasatra 24 ora ireo tafika rehetra nandray anjara tamin’ny matso.


One comment on “FETIM-PIRENENA : HANOME FANALEFAHAN-TSAZY FAOBE NY PREZIDAN’NY REPOBLIKA

  1. Pingback: FETIM-PIRENENA : HANOME FANALEFAHAN-TSAZY FAOBE NY PREZIDAN’NY REPOBLIKA - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *