Socio-eco

FESTIVAL THE WEEKEND: Ny zava-kanto sy ny fialamboly miaraka


Hihaona ao anatin’ny toerana iray ny mpankafy mozika sy ireo tia mialavoly na ankizy na lehibe.  Ao anatin’ny telo andro dia ho hita mandritra “festival the WeekEnd” ny zava-kanto sy ny fialamboly isan-karazany.  Hetsika goavana karakarain’ny Ivenco izy ity. Mampivondrona ny matihanina momba ny fialamboly  ho an’ny ankizy sy ny lehibe ary mpanao mozika ny “festival the WeekEnd”, hoy tomponandraikitra ao amin’ny Ivenco.  Ny 2, 3 ary 4 aogositra 2019 no hanatanterahana izany ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.  Feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra ny telo andro satria hetsika mihoatra 50 no hiseho ao anatin’ny  50 ora, raha ny fanazavan’ny  mpikarakara nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety omaly 25 jolay 2019.

Amin’ny maha mpikarakara fampisehoana, mpamokatra mpanakanto nanomboka tamin’ny taona 2014 dia anatin’ny fanambin’ny Ivenco, ny fitondrana  zava-baovao sy miavaka mba hanomezana fahafaham-po ny mpankafy mozika fa indrindra ireo tia miala voly. Noho izany, fampisehoana an-tsehatra telo  goavana no hitranga ao anatin’ny alina iray sy andro roa. Hanafana ny sehatra ny zoma 02 Aoositra 2019 manomboka amin’ny 6 ora hariva Amboara, Kiaka, Allkiniah, Jeneraly ary Mage 4. Ny Sabotsy 03 Aogositra 2019 amin’ny 2 ora tolakandro kosa dia  ahitana an’i Jackson Boys,  Colombes,  Shyn,  Denise, Raboussa, 18.3 ary Da Hopp. Ny andro farany Alahady 04 Aogositra 2019 amin’ny 2 ora tolakandro dia hiakan-tsehatra ny tarika ‘Zay, Tovo j’hay , Nate Tex, Colombes ary Johane. Hampiseho ny fahaizany manafana lanonana ihany koa ny DJ Shinchan sy MPX amin’ireo fotoana ireo.  Ankoatra ny hetsika ara-koltoraly dia hisy ihany koa toerana natokana hialàna voly, mety ho an’ny sokajin-taona rehetra ny sabotsy 3 sy ny alahady 4 aogositra 2019. Anisan’izany ireo karazana fialamboly tsara indrindra eto Madagasikara  ho an’ny ankizy. Raha ny fantatra dia hampiavaka ny “festival the WeekEnd” ny  fifaninanana “jeux vidéo and Co” andiany faharoa izay mety hahazoana loka hatramin’ny 20.000.000 Ariary. Efa manomboka ny fisoratana ho an’ireo te handray anjara amin’ny fifaninanana.

Marihina fa 10.000 Ariary isan’andro ny vidim-pidirana ary efa amidy eny  amin’ny Mass’in Ivandry sy Nect’art Ankaditapaka ny tapakila. Mpijery 20.000 kosa no handrasana amin’ny  “festival the WeekEnd” andiany voalohany.

Lynda  A./ Nirina R.


One comment on “FESTIVAL THE WEEKEND: Ny zava-kanto sy ny fialamboly miaraka

  1. Pingback: FESTIVAL THE WEEKEND: Ny zava-kanto sy ny fialamboly miaraka - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *