De-Lire

Fatiantoky ny JIRAMA : Noho ny tsy fahaizan-dRajoelina sy ny ekipany


Tsy mbola nisy zava- doza tahaka izany hatramin’izay nisian’ny fitondrana teto amintsika, indrindra momba ny resaka herinaratra. Iza tokoa no tsy mikaikaika amin’ny zava- misy amin’izao? Zary lasa ny mpitondra ankehitriny sy ny vahoaka no mibaby ny tsiny rehetra, na dia Rajoelina sy ny ekipany aza no nanao folaitra nanimba ny orinasa JIRAMA.

Raha ny fantatra dia fanapahan- kevitr’olon- droa no nampidinana 15% ny vidin’ny herinaratra nandritra ireny fotoanan’ny tetezamita ireny. Rajoelina sy ny filohan’ny filankevi- pitantanan’ny JIRAMA tamin’izany fotoana no voalaza fa nandray io fanapahan- kevitra io. Vokany, izao nitombo niavosa izao ny fatiantok’ity orinasa Malagasy ity ary voatery mizaka izany ny Malagasy tsivakivolo. Niakatra be izay tsy izy ny vidin’ny 1kwh amin’ny herinaratra ary tsy maharaka aza ny fitsinjarana izany. Voarebirebin’ireo mpanongam- panjakana tanteraka ny saim- bahoaka tamin’ireny, ary dia nataon’ireo mpitondra tetezamita fidiram- bolany manokana ny fampanofàna “groupes électrogènes”. Nisy mpandraharaha mpiara- dia amin’i Andry Rajoelina voafaritra ho tafiditra amin’ity resaka “groupes électrogènes” ity ary re fa manan- draharaha eny anivon’ny Bianco izy io amin’izao fotoana.

Manodidina ny 200 miliara isan- taona amin’ny vola fanampiana omen’ny fanjakana ihany koa no lany ividianana solika hampihodinana ireo “groupes” ireo. Nampimenomenona ireo mpamatsy vola vahiny, tahaka ny FMI io, izay nilaza ny tsy hamoaka fanampiana ho antsika raha tsy misy fepetra hentitra manoloana ity fandaniam- bola mihoa- pampana ity. Ny olana anefa dia ireo mpamatsy vola ireo ihany koa no nampijabaka tamin’ity resaka “groupes électrogènes” ity. Vahaolana tokana no azo ialàna amin’ireo fatiantoka goavana ireo, dia ny fampiasana angovo azo havaozina. Fantatra anefa fa malailay fonosana ny amin’ny hirosoantsika amin’ny fampiasana angovo azo amin’ny herin’ny masoandro ireo mpamatsy vola satria azy ireo ihany ireo orinasa vahiny mpanafatra sy mpamatsy solika eto amintsika.

Tsy fepetra tokana sy fanapahan- kevitra tokana araka izany no andrasan’ny rehetra manoloana ity olana sy fatiantoka goavana ity. Andaniny, mila hentitra ny mpitondra manoloana ny fahavoazana efa mihatra amin’ny firenena sy ny orinasa JIRAMA ankehitriny, ary indrindra manoloana ireto mpamatsy vola izay nampidi- kizo antsika ireto. Ankilany, mila fantarina ihany koa ny teny farany avy amin’ny FMI mba tsy hampidongizina ny fampandrosoana tian- ko tratrarina eto. Izany sy izany ny folaitran- dRajoelina sy ny tetezamitany e!


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *