Sport

FANOHANANA NY BAREA: Namaly ny antso ireo mpiara-miombon’antoka hafa


Hilalao am-pitoniana ny Barea mandritra ny lalao iadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny lalao baolina kitra (CAN 2019), atao any Egypte. Ny hahazoan’ny ekipam-pirenena ny amboara no tanjona, hoy ny filohan’ny ny filohan’ny « comité de normalisation pour la fédération Malagasy de football », Attalah Béatrice, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, androany 29 mey 2019.  Ho fanomanana ny ho enti-manana hanohanana ny ekipam-pirenena dia nanangana ny “basket fund” ny “comité de normalisation” (CDN), hanangonana ny vola avy amin’ireo orinasa, fikambanana na olon-tsotra sy ny maro hafa te hanohana ny federasiona sy ny Barea.Comité de normalisation 1

 “Nisy ny kaonty nosokafana any amin’ny banky BOA izay anisany mpiara-miasa voalohany tamin’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF). Ho havoaka ao amin’ny tranokalan’ny FMF tsy ho ela ny nomeraon’ ny kaonty handrotsahana izany”, hoy ramatoa Attalah Béatrice. Nohamafisiny fa ny federasiona no tomponandraikitra voalohany mitantana ny baolina kitra malagasy araka ny fifanarahana natao tamin’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena hatramin’izay. Noho izany, ny CDN no hitantanana io “basket fund” natokana ho an’ny Barea handeha hilalao any amin’ny CAN. Nisy ny antso nataon’ny CDN tamin’ireo orinasa vonona hanampy ny baolina kitra, ny federasiona sy ny Barea  amin’ity CAN atao any Egypte ity. Efa namaly  izany fangatahana izany banky BOA, ny Orange Madagascar, ny STAR, ny ligy Haute Matsiatra, ny “assurance Aro”,  ny Holcim, ny JB…  Araka ny tarehimarika nomen’ny filohan’ny « comité de normalisation » dia vola mitentina 1.654. 375 dolara ny tetibola ilaina amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity CAN 2019 ity ary tsy ao anatin’io ny “prime”. Ny CAF sy ny FIFA no hamatsy 30 % amin’io vola io. Ny 25 % kosa  no handrasana  avy amin’ny fitondram-panjakana.

Tsara ho fantatra fa hihaona  amin’ny Tale jeneralin’ny ny orinasa Telma ny CDN anio hariva, handravonana ny manahirana. Hifanaraka amin’ny « comité de normalisation pour la fédération Malagasy de football »  ve ity  orinasa ity izay ao anatin’ny « club des partenaires », nisafidy ny hitantana kaontim-bola hafa hanohanana ny Barea sa ho tonga any amin’ny tsotsorimamba isarahana?

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *