Edito

Fanjakana tan-dalàna : Sao mba ao Ambohidahy no vaha-olana ?


Azo hamaritana ny loko mainty ho lasa fotsy ve ny lalàna velona eto amintsika eto? Aleo kosa mba hifanarahana fa ny fotsy dia fotsy, ary eo ambonin’izay fahafotsiana izay no hanoratana amin’ny ranomainty mazava tsara izay lalàna tokony harahina sy hampanjakaina. Tompon’antoka amin’ny fiarovana ny lalàna fototra mampijoro ny fitondrana eto amintsika eto, ny etsy Ambohidahy etsy. Koa rehefa ireo no mangina dia “marina” izany ny fihetsiky ny mpitondra. Izany tokoa ve?

Fa ny nahatonga ny olana teto ka mbola tsy voavaha hatramin’izao dia noho ilay “taratasy tsotra” nataon’ny tao Ambohidahy ny maraim-ben’ny 18 martsa 2009. Io ilay taratasy lah 079-HCC/G manoritsoritra fa manomboka io vaninandro io, dia hafa fa tsy ilay nofidiam-bahoaka no mitantana an’I Madagasikara…

Vao tamin’iny herinandro lasa iny dia ny HCC ihany koa no nilaza fa tsy misy toerana ho an’ny mpanohitra eny Tsimbazaza eny…Io HCC io ilay nampanao ny atao hoe: memorandum izay nentina niadiana tamin’ny fanonganan’ny teny Tsimbazaza…Mbola ry zareo ihany koa no nilaza fa tsy olana ilay andininy faha-54 amin’ny lalampanorenena rehefa manendry Praiminisitra.
Na inona na inona ho lazain’ny HCC dia noho ny antony politika hatrany no handraisany ny fanampahan-kevitra rehetra ataony. Raha hitany fa mety izao zava-tsarotra diavin’ny firenena izao dia aoka ho raisiny ho adidy ny mampahafantatra amin’ny vahoaka rehetra sy ny mpifanandrina politika ny fetra farany tsy maintsy hiaretana izao fifandimbiasan’ny lalàna sy ny tsy lalàna izao fa mandany andro lava loatra isika…

Mety ho sarotra tanterahina izany rehetra izany kanefa rehefa ny firenena no handrandraina dia azo havadika ho fotsy hatrany  ny mainty. Asa anefa! Mora tokoa ny mandrodana raha ampitahana amin’ny manangana fanjakana tan-dalàna e!


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *