Socio-eco

FANANGANANA INDOSTRIA ETO MADAGASIKARA: Mampiseho ny fahavononany ny governemanta sinoa


Samy mahazo tombony. Manana traikefa amin’ny fananganana “parc industriel” i Chine, araka ny fanadihadiana nataon’ny IEP (Institut d’Etudes Politiques) momba ny fampiroboroboana ny toekarena sinoa. Nampahafantarina nandritra ny « Colloque sur le développement de la Chine et les relations sino-malagasy », omaly 25 novambra 2019 teny Anosy ny tatitr’io fanadihadiana io. Nambaran’ny Ambasadaorin’i Chine miasa eto Madagasikara, Yang Xiaorong tamin’ny lahateny nataony fa firenena faharoa manana tanjaka ara-toekarena i Chine ary firenena faharoa mahasarika  mpampiasa vola. Feno 47 taona ny fiarahamiasan’i Madagasikara sy Chine, hoy izy ary  hohamafisina ho  amin’ny tsara hatrany izany. Nilaza izy fa  mitondra tombontsoa ho an’ i Afrika ny fampandrosoana an’i Chine. Nohamafisina nandritra ny fivoriana momba fiarahamiasan’i Chine sy Afrika (FOCAC) natao tany Beijing farany teo izany, araka ny fanazavany. Noho izany, « manana paikady ara-stratejika amin’ny lafiny fananganana indostria  i Chine ary ao anatin’ny fiarahamiasa samy mahazo tombony no hanatanterahina izany », hoy izy. Manoloana izany, mamporisika ireo mpampiasa vola sinoa ho avy eto Afrika indrindra eto Madagasikara  ho fampiroboroboana ny indostria eto amintsika.

Ho an’ny fitondram-panjakana malagasy kosa dia manana vina ny hametraka “zone industrielle » amina faritra efatra. Vinavinaina ho amin’ny taona 2020 no hanatanterahana izany ary anisany hahazo tombontsoa  ny faritra Atsimo Andrefana, araka ny fanazavan’ny ministry ny indostria,  ny varotra ary ny asa tanana, Rakotomalala  Lantosoa. Nambarany fa orinasa madinika sy salantsalany no ho hatsangana ka omena vahana amin’ny fananganana izany ireo tanora sy ny vehivavy.

Marihina fa iray volana lasa izay  ny vahoaka sinoa no nankalaza ny  faha-70 taonan’ny repoblika entim-bahoaka an’i Chine.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *