Socio-eco

FAMARANANA NY GRANDE BRADERIE: Mbola betsaka ny fanomezana ho an’i Neny


Manararaotra ny mpangalatra rehefa vory vahoaka. Mpangalatra entana roa no tratra tao amin’ny hetsika ara-barotra Grande Braderie de Madagascar, teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Efa nalefa eny amin’ny biraon’ny polisy izy roa vavy ireto, araka ny fanazavan’ny mpikarakara avy ao amin’ny Mada Vision. “Na dia teo aza izany dia nilamina amin’ny ankapobeny ny hetsika Grande Braderie de Madagascar natokana ho an’ny fetin’ny reny, hoy Ramanantsoa Harilala.
Maro ny mpitsidika tonga tao anatin’ny efatr’andro nisesy. Tao no nividy fanaka, fitaovana ilaina amin’ny fiambenana trano toy ny “caméra de surveillance”. Tao ihany koa no nanararaotra nikarakara endrika amam-bika. Ankoatra ny fividianana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia anisany antony nahatongavan’ny mpitsidika ihany koa ny fividianana fanomezana ho an’i Neny. Nambaran’ny mpikarakara fa mbola betsaka ny entana azo isafidianana tsara ho atolotra amin’ny fetin’ny reny rahampitso alahady 26 mey 2019 ary misy fihenam-bidy 15 % no mihoatra izany. “Manasa antsika rehefa ho rahampitso alahady fa mbola misy anjaranao aty amin’ny Grande Braderie de Madagascar”.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *