Socio-eco

FAHAZOANA LOHARANOM-BAOVAO: Hohamoraina


Manana vina hamolavola lalàna mifanandrify amin’ny fahazoana loharanom-baovao ny ministeran’ny serasera sy fifandraisana amin’ny andrim-panjakana. Nambaran’ny sekretera jeneraly, Guy Laurent Ramanakamonjy nandritra ny famoahana ny gazety boky Trandraka laharana faha-telo fa amin’ity taona ity dia manome toky ny ministera fa hiroso amin’ny fifanankalozan-kevitra mba hanamoràna ny fahazoan’ny mpanao gazety loharanom-baovao. Handray anjara amin’izany ireo tomponandraikitra tokony hanome loharanom-baovao. Hamaritra ny vaovao azo omena sy azo trandrahina io lalàna hovolavolaina io saingy tsy manohitohina ny tsiambaratelon’ny asa any amin’ireo sehatra isan-tsokajiny.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *