Socio-eco

FAHAVALO: Sarimihetsika mitantara ny hita sy re nandritra ny tabataba 1947


Dimy taona no nanatontosan’i Marie-Clémence Andriamonta-Paes ny horonantsary fanadihadiana “Fahavalo – Madagasikara 1947. “Betsaka ny Malagasy tsy mahafantatra tsara ny zava-nitranga nandritra ny tabataba 1947 teto Madagasikara”, hoy i Marie-Clémence, mpanatontosa horonantsary fanadihadiana, sady Malagasy no Frantsay. Amin’ny maha Malagasy azy, nitsiry tao aminy ny fikarohana ny zava-nitranga nandritra ny tolona nanoheran’ny Malagasy ny mpanjanaka. Noho izany, mirakitra ny hita sy ren’ireo Malagasy niaina tamin’izany vanim-potoana izany ka mbola velon’aina amin’izao fotoana izao ny horonantsary Fahavalo, Madagasikara 1947. “Mitantara ny ady natrehany tany anaty ala amam-bolana maromaro, tsy nisy fitaovam-piadiana afa-tsy lefompohy sy moara ireo vavolombelona sisa tavela amin’ity horonantsary ity”, hoy i Marie-Clémence Andriamonta-Paes.
Nialohany nanaovany ny fanadihadiana dia nikaroka ireo arisivam-pirenena, ny arisiva tany Frantsa, Londres, Washington mirakitra ny tabataba 1947 ny tenany. Nanadihady ireo mpahay tantara Malagasy ny vahiny ihany koa izy. Tany Fianarantsoa, Manankara, Nosy – varika no nitadiavana ireo ray aman-dreny nanaovana anterivava. Efa nahazo ny “prix documentaire du Monde”, tamin’ny « festival des films du monde » andiany faha-42, tany Montréal Canada ity horonantsary ity. Ao amin’ny Saint François Xavier Fianarantsoa, ny 28 sy 29 septambra 2018 no hampisehoana voalohany ny horonantsary ho an’ny eto Madagasikara. Ny 30 septambra 2018 kosa ny anjaran’i Toliara ary ny 03 oktobra 2018 ny any Ambositra. Eto Antananarivo no hamaranana ny fitetezam-paritra ka eny amin’ny Plaza Ampifeloha ny 6 oktobra 2018 no hampisehoana ity horonantsary fanadihadiana maharitra 90 minitra ity.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *