De-Lire

ENY ANTANINARENINA : HETSIKA FIVORIAN-DOVIA NY ZOMA 8 JANOARY 2016 amin’ny  12 ORA SY SASANY


 

Ho mariky ny fitsipahantsika ity fety fandatsàna ny Malagasy atao eny Iavoloha ity dia manasa antsika hameno lovia (vy) ny araben’Antaninarenina ny Zoma 8 janoary izao manomboka amin’ny 12ora sy sasany (12h30).

Ho fanehoana ihany koa fa mitaky ny fitantanana ny volantsika amin’ny fomba mendrika sy tena mahasoa ny vahoaka isika fa ampy izay ity fandanindaniam-poana ny volantsika ity.

Mba maniry ny hihinana tahaka ireo voaasa eny Iavoloha ihany koa isika saingy tsy misy ny hohanina ka dia tongava ary mametraka ny anjara loviantsika eny ANTANINARENINA AMBONIN’NY TOHATOHABATO MANODIDINA NY TSANGAMBATON’I  MADAGASIKARA.

Ento ny lovianao (vy indrindra indrindra raha misy fa mety koa ny vilia plastika, aleo tsy atao bakoly fa sao mandratra raha vaky) dia apetraho dia mandehana mizotra amin’ny làlanao ianao, araka izany dia MARIHINA ETOANA FA TSY HISY FIVORIAN’OLONA FA FIVORIAN-DOVIA no hitranga.

Ndeha hofenointsika lovia (vy) Antaninarenina ambonin’ny tohatohabato. Asehoy ny hevitrao, lazao ny tsy mahafaly anao, izany no maha-olompirenena. Ny WUM dia miezaka hatrany mitady izay hevitra hahafahantsika maneho hevitra na dia tsy mora aza izany eto amin’ny firenentsika.

Aorinan’ny hetsika, ny lovia (vy) rehetra voaangona dia hozaraina amin’ireo sahirana mila izany miaraka amin’ny vary ny sabotsy 9 janoary.

Wake Up madagascar


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *