Socio-eco

E-COMMERCE: Eo am-panomanana i Madagasikara


Manatanteraka iraka eto Madagasikara ny solontenan’ny CNUCED. Herinandro ny faharetan’ny asany. Nanomboka ny 09 jolay 2018 dia niara-nivory tamin’ireo mpiantsehatra amin’ny “commerce électronique” eto Madagasikara ny mpamita iraka. Nandray anjara tamin’ny atrik’asa ny tomponandraikitra avy amin’ny ministeran’ny varotra sy ny fanjifana, ny solontenan’ny tranoben’ny varotra sy ny indostria…Tanjon’ny fivoriana ny ahafantarana ny laharam-pamehana, ny sakana sy ny vahaolana hirosoana amin’ny varotra amin’ny tambajotra. Amin’ny alalan’ny ventin-kevitra mivoaka eo no hanaovan’ny CNUCED ny tombana. “Rehefa vita izany dia hovolavolaina ho lasa tondron-zotra. Miroso amin’ny fanantanterahana azy avy eo”, hoy ny tomponandraikitry ny CNUCED eto Madagasikara, Gilles Razafintsalama.
Sehatra fito no hanaovan’ny rafitry ny firenena mikambana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana na CNUCED tombana ahafahan’ny firenena mahantra miroso (PMA) amin’ny e-commerce na “commerce éléctronique”. Hanamora ny firosoana amin’ny fivarotana na fividianana entana amin’ny alalan’ny tambajotra ny fahavitan’ny tombana amin’ny lafiny foto-drafitr’asa sy ny “service” mifandraika amin’ny teknolojia toy ny “connexion internet”…ny fitantanana ny varotra, ny fandoavana ny vidin’entana, ny lalàna mifehy ny e-commerce sy ny maro hafa. Firenena voasokajy ho PMA fito tahaka an’i Cambodge, Bhoutan, Samoa, Népal, Myanmar, Libéria ary Laos no efa nahavitan’ny CNUCED io tombana io.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *